Interdépendance ou indépendance ?
Dia hoe « Indépendance »
Hoy La France
Sa moa Independance day
Ho an’ireo mahay?
Ary ho an’i Gasik’Arts ?
Hiray hina sa hizara ?
Hijoro sy hiatrika adidy
Sa hiandany amin’izay te hividy?
Ny Indépendance-nay depuis 8 années
Aminay tompoko dia zava-dehibe !
Safidinay ny mahaleo tena
Sy mijoro ho an’ny Firenena
Ka dia mafy ary tsy malazo
Ny faniriana te hahazo
Ilay faheleovantena tena izy
Na ho an’ny lehibe na ho an’ny ankizy
Ho fitsinjovana ny ho avy
Ho antsika mianakavy
Dia miangavy indrindra re
Faisons tout pour vivre en paix!
Avia isika hiara-dia
Hitraka, handroso ary hifankatia
Ny soatoavintsika no andrianina
Vitantsika rehetra io, Yes we can !