FLASH

L'émission Gasik'Arts est en direct  de Toulouse 92.2 fm tous les dimanches de 12h à 14h sur le net avec www.canalsud.net, www.dagoradiosound.info et www.tiakobe.fr
L'émission est présente sur Facebook : profil "Emission Gasik'Arts" et page "Gasik'Arts"
Gasik'Arts : Radio malgache de Toulouse

EDITO

Raha
 
Raha hitanao rava ireo natsanganao rehetra
Nefa ianao tsy mitaraina fa milofo kosa hanarina
Na koa very poa toy izay ny harem-be tsisy fetra
Nefa tsy nasianao sento na fihetsika mamarina
 
Raha hainao ny mitia nefa tsy very sy milentika
Raha hainao ny ho mafy saingy halefaka fanahy
Na koa ankahalaina ka tsy valifaty hitetika
Saingy hiady hiaro tena tsy mba misy ahiahy
 
Raha hainao ny mizaka ny handre ’reo teninao
Naolan’ireo fositra handranitany  ny adala
Sy handre ireo sotasota tantarainy momba anao
Nefa ianao tsy handainga na dia teny iray aza
 
Raha hainao ny mihaja sy mamy hoditra an-tanàna
Raha hainao olon-tsotra ny hanolo-tsaina ny Mpanjaka
Sy hitia ireo sakaiza ho lasa iray tam-po malala
Ka tsy hiangatra ianao ka hanao toetra tsy zaka
 
Raha hainao ny misaina, mandinika sy mamantatra
Saingy kosa tsy ho kivy na sanatria handrava efa  
Hanonofy fa tsy andevon’ireo nofy tena fatratra
Hisaina hatrany saingy koa hanan-karazana traikefa
 
Raha hainao ny ho hentitra nefa kosa tsy hisafoaka
Raha hainao ny hoe sahy nefa atao am-piheverana
Raha hainao ny tsara fanahy, ka fahendrena no miloaka      
Tsy hananatrana-poana na hiebo hoe avo toerana
 
Raha tojo anao ny Fandresena dimbin’ny Faharesena
Ka tsy nihontsina ianao raha nofitahin’izy ireo
Raha hainao ny manovo herim-po ka tsy mivena
Nefa ireo hafa ankoatra anao lasa adala, mitoreo
 
Dia ireo Mpanjaka, Andriamanitra, Vintana sy Fandresena   
Ho doria, tsy misy fetra, izy ireo dia homba anao
Fa soa noho ny Voninahitra sy ny Satro-bolamena…  
Etsy anie ry sombinaiko : ho Olom-banona ianao !

Antso

 

Reportage photos

Conférence des bailleurs et investisseurs-Jour 1 Plénières

Conférence des bailleurs et investisseurs-Jour 1 Plénières

Conférence des bailleurs et investisseurs (CBI) à Paris les 1 et 2 décembre 2016. Les bailleurs insitutionnels ont annoncé un soutien de 6,5 milliars de dollars à Madagascar.

15 ans de Gasik'Arts

15 ans de Gasik'Arts

Misaotra eram-po eran-tsaina sy amin'ny fanahy be fitia tamin'ny fanotronanareo sy ny fanohananareo e ! Merci de tout coeur de cette belle fête! Passionnément vôtre :-) crédit photo Radonn Andriamifid

RNS 2014 Poitiers

RNS 2014 Poitiers

La 39 ème édition de la RNS à Poitiers du 19, 20 et 21 avril 2014

Ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina

Ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina

Sary tamin'ny fihaonan'ny Filoham-pirenena tamin'ireo malagasy tao Paris ny zoma 21/03/14.

DIVAS GASY IN LOVE ®

DIVAS GASY IN LOVE ®

GRANDE SOIRÉE DIVAS GASY IN LOVE ® 09 Mars 2013 SALLE DE FÊTE - CHEMIN DU CANAL - 82170 GRISOLLES

Les derniers clips ajoutés

DINA feat DASSI AR Lasalasa saina

DINA feat DASSI AR - Lasalasa saina

vues     06/12/2017
MELKY ft. PRINCIO TE HANARAKA ANAO

MELKY ft. PRINCIO - TE HANARAKA ANAO

vues     18/11/2017
Shyn Resim-pitia

Shyn - Resim-pitia

vues     13/11/2017
Jaojoby, Samoëla, Rajao, Stéphanie, Onja, Msié Sayda, Odyai Ady amin'ny pesta ilay raha

Jaojoby, Samoëla, Rajao, Stéphanie, Onja, Msié Sayda, Odyai - Ady amin'ny pesta ilay raha

vues     12/11/2017
Mijah Afindrafindrao

Mijah - Afindrafindrao

vues     11/11/2017
http://www.gasikarts.com